|
|
|
|

Teny iditra1 Ny rivotra an-kadilanana
Singan-teny  2rivotra, 3hadilanana
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Razafiniaina Charlotte
Lahatsoratra  7 Ny rivotra an-kadilanana, hono, miady fo samy ho any, ka ririnin-dava mandavan-taona, manenda-damba ny mitavoravora. E! ry rivotra, sarotim-panina ka manai-bovoka mandry, mampiriotra fako mifitsaka.

8 Setrasetra mba tian-katao ve, hono, sa zafikelin' Andrangoloaka ka tsy afaka amin' ny kao-drazana ? Lozan' ny be rimorimo anefa, hono, raha ditsoky ny vovoka nafafiny ny mason' ny tsy manan-tsiny!

9 Setriny

10 Rivotra aho ka rivotra. An-tanimarina aho, manao ranomandry; an-tendrombohitra aho, manao manga rivotra; am-pihoarana aho manao rarangy tsy miato. Sady aina aho no fahafatesana. Eny an-tendron' elatry ny fikopaka no anaterako tsioka manafosafo ny endrika mivoa-dinitra, fa ny ranomasina lalovako koa no mihotakotaka hatrany amin' ny fanambaniny. Hilaozako dimy minitra ve ny tany? Dia fahafatesana no anaran-tokana hilazana izao tontolo izao. Kao-drazana tsy azo avela ny anay, ka raha maso mataho-ditsoka, dia ny verimaso no ataovy marevaka, fa raha sima no mianala: miantsinanana voky rivotra, miankandrefana manahy lela.


Nohavaozina tamin' ny 2025/05/06